Sosialy

Oniversitem-panjakana Mangotraka indray ny fitakiana vatsim-pianarana


  • Alakamisy 30 Jona 2022

Miverina indray ny fitakiana vatsim-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Raikitra ny grevy teny amin’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly. Niditra tamin’ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana.

Efa nivoaka iray volana lasa ny tetiandro fandoavana ny vatsim-pianarana kanefa tsy tonga araka ny fotoana nomeny ny mpandoa ny vatsim-pianarana dia nitokona ny mpianatra afak’omaly. Ny ENS (Ecole Normale Supérieure) manome 24ora hamahana ny olana samihafa satria betsaka no voalaza fa tsy misitraka vatsim-pianarana noho ny tsy fahafehezan’ny mpiandraikitra ny “digitalisation” hatramin’izao, ary tsy araka ny nampanantenaina ny vatsim-pianarana satria raha nambara fa 3 volana no hozaraina, dia nahena 2 volana tampoka,… Nanome fe-potoana 24 ora ny Fanjakana handoavana ny vatsim-pianarana 6 volana miaraka amin’ny fampitaovana ny mpianatra any amin’ny Oniversiten’I Maninday Toliara noho ny fisian’ny mpianatra maro voalaza fa tsy nahazo vatsim-pianarana. Ny mpandraharahan’ny Oniversite n any PAT ihany koa nanomboka omaly ny hetsika fitokononana ary milaza fa hanidy ny oniversite anio ny karama volana jona tsy mbola voaray. Hatramin’ny naha tany ny tany niasana teto, hatramin’ny niasana teto, tsy mbola nisy mpiasa tsy nandray karama taorian’ny fetim-pirenena, hoy ireo mpiasa. Tany aloha isaky ny faha-15 volana aogositra. Mba fifanajana no tsy nanaovana fitokonana talohan’ny fety. “bon de caisse” 95 ihany no voalaza fa nahazo omaly kanefa 1234 ny mpandraharaha, misy ny fampanantenana hoe: omaly, rahampitso,… no ho tonga any amin’ny kaonty banky, ka tsy manaiky intsony ireo mpiasa. Nanaitra ny tompon’andraikitra ara-bola eo anivon’ny Minisitera. Milaza hanamafy ny hetsika izy ireo anio. Ireo mpianatra ho mpitsabo efa miasa any amin’ny Hopitaly na ny “interne” any amin’ny hopitaly ihany koa, izay ny Minisiteran’ny fahasalamana no heverina fa tena miahy azy ireo, dia mitaky ny fampiharana ny fisondrotan-karama 13% araka ny fampanantenana nataon’ny Filoha,… Mifoha indray ny fitakiana maro samihafa noho ny famahana olana mitarazoka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT