Sosialy

Oniversite tsy miankina Manodidina ny 217 ny isany amin’izao manerana ny Nosy


  • Alatsinainy 04 Martsa 2019

Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana eto amintsika.

 

  Efa mahatratra 217 mahery eo ho eo ny isan’ireo izy ankehitriny manerana ny Nosy ka ny 101 amin’ireo no mampianatra momba ny paramed ankoatra ireo lalam-piofanana hafa. Eto Antananarivo kosa ny ankamaroan’izy ireo, tarehimarika nivoaka farany tamin’ny taona 2018 lasa teo. Samy manana ny fomba fiasany sy ny traikefany izy ireny amin’ny ankapobeny. Na izany aza dia anisan’ny tanjona iraisan’izy ireo kosa ny hanampy ireo tanora Malagasy tsy tafiditra eny amin’ny anjerimanontolo na dia mandoa saram-pianarana aza. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’Andriamahatsangy Lahatra, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Madajeune dia tena ilaina ny fisian’ny oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana tahaka ireny hanampiana tosika ny tanora. Ara-dalàna avokoa ny ankamaroan’izy ireny, hoy izy na dia an-dalana aza ho an’ny sasany ny fangatahana “habilitation” fa tsy misy tsy ara-dalàna izany. Mikasika ny fahaizan’ny mpianatra kosa indray dia nomarihiny fa na manam-bolabe aza ny ray aman-dreny amin’ny fandefasana ny zanany azy hanovo fahalalana amina sekoly ambony tena raitra dia zava-poana ihany izany rehefa tsy hanao zavatra ny ankizy. Mitaky saina tia karokaroka sy filofosana  fatratra mantsy raha ny nambarany ny fahatafitana  satria tsy ampy hahaizana tanteraka ilay ora valo isan’andro hianarana any am-pianarana.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT