ONG Valoria

Manao tetikasa hanohanana


  • Zoma 14 Aogositra 2026

ireo tanora sy vehivavy

Mahatsapa fa manana adidy amin’ny mpiara-belona sy ny firenena ny ONG Valoria. Izany indrindra no antony namolavola ny tetikasa iray izay mikendry ny hanome vahana sy hanohana ireo olona te hampivelatra ny fivelomany ary hahazo fahaleovantena ara-bola. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny ONG Valoria, Ramatoa Andrianarivo Lalaina Priscilla, dia tsy hifantoka amin’ny fiofanana fotsiny ny fikambanana, fa hanome fitaovana, hanampy amin’ny fitadiavana lalam-barotra ary hanohy ny fanohanana ireo mpahazo tombontsoa mandra-pahamarim-paka ny fidiram-bolan’ireo mpisitraka. « Ny asa ihany no antoka amin’ny fahaleovantenan’ny olom-pirenena », hoy izy, raha nanazava ny vina sy ny tanjon’ity tetikasa ity. Tanora lahy sy vavy 18 ka hatramin’ny 35 taona ary vehivavy 35 ka hatramin’ny 45 taona no tena kendren’ny tetikasa. Amin’ny fanombohana izany, olona 100 ao amin’ny kaominina Alasora no hisitraka ny fanohanana. Tsy hijanona ao Alasora fotsiny anefa izy ireo, fa kasaina hitarina any amin’ny faritra maro manerana an’i Madagasikara. Nohazavaina ihany koa fa nofidina manokana ny anarana hoe « Valoria », izay avy amin’ny teny hoe « valeur ». Manana harena, fahaiza-manao ary traikefa maro azo avadika ho asa sy loharanom-bola ny Malagasy, hoy ny filohan’ny ONG Valoria. Izany indrindra no tian’ny fikambanana hasandratra amin’ny alalan’ity tetikasa ity, mba hampivoarana ny fari-piainan’ny olom-pirenena. Tsy ho vitan’ny ONG irery anefa izany. Noho izany, miantso ny fanjakana, ny mpandraharaha, ireo mpanao asa tanana, ireo manana talenta ary ireo fikambanana vonona hiara-hiasa aminy ny ONG Valoria. Aorian’ny fanombohana ofisialy ny tetikasa dia hiroso amin’ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka ny fikambanana. Efa nisy ny fikambanana namaly ny antso fiaraha-miasa nataon’ny ONG Valoria. Anisan’izany ny fikambanana Porte Bonheur, izay miorina ao amin’ny kaominina Alasora. Ity fikambanana ity no handray an-tanana ny fanohanana ireo mpahazo tombontsoa voalohany amin’ny tetikasa ao amin’ny kaominina Alasora. Tao amin’ny Kianja Maitso Alasora moa no nanatanterahana ny lanonana fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa sy fampahafantarana ny ONG Valoria. Tonga nanome voninahitra izany ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Alasora, ny Tale Jeneralin’ny Minisiteran’ny Asa Tanana ary ny Talen’ny Kabinetra ao amin’ny Minisiteran’ny Fiompiana.
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT