Sosialy

ONG Positive Planet Nanolotra fitaovana ho an’ny RF2 Boriborintany III


  • Alakamisy 15 Novambra 2018

Notoloran’ny ONG Positive Planet International izay mpiara-miombon’antoka amin’ny kaominina Antananarivo (CUA) fitaovam-panadiovana samihafa ny RF2 (Rafitra Fidiovana sy Fanadiovana) tetsy amin’ny fokontany Ankazomanga sy Tsaramasay ao anatin’ny

boriborintany faha-3 omaly alarobia 13 novambra. Hoentina hitsinjovana ny fahavaratra sy ny fahadiovan’ny tanàna ary indrindra indrindra, tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Quartiers Précaires Fako Tana” na fanodinana Fako eto Antananarivo izany. Natao izao hetsika izao vokatry ny fiaraha-miasa sy ny fifanarahana teo amin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny ONG, izay efa vita sonia ny volana septambra lasa teo, ka haharitra hatramin’ny taona 2020 ny fifanarahana . Ankoatra ny tetikasa Fako Tanà dia misy koa ny tetikasa fanamorana fahazoana ara-pahasalamana sy tan-tsoroka ara-tsosialy izay tafiditra ao amin’ny fiaraha-miasa sy ny fifanarahana teo amin’ny CUA sy ity ONG ity. Fitaovam-panadiovana maro no natolotra tamin’izany dia borety, angady, fourche, antsy, kofafa, fandraofam-pako, … Teo koa ny fitaovana fiarovana toy ny aron’akanjo, akanjo, aroloha, arotanana sy tongotra, fanapenam-bava. Teo koa ny fanomezana fitaovana ny komitin’ny RF2 amin’ny fanoratana sy ny ao amin’ny biraony. Fokontany 30 isa ao anatin’ny boriborintany 6 no hahazo sitraka na famatsiana fitaovana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ONG sy ny CUA izao. Fokontany 5 no hisitraka izany, dia Ankorondrano Andrefana, Andranomahery, Tsaramasy, Ankazomanga, ary ny zoma ho avy izao no hanolorana ny etsy Mandialaza Ambodivona. Tonga nitarika sy nanome voninahitra ary nanatrika sy nanolotra ny fitaovana teny an-toerana ny Delegen’ny boriborintany fahatelo, Razafitsalama Hery sy ny Lefiny Raliderson Hery ary ny mpandrindra avy ao ONG Positive Planet International, Fanjaniana Rakotoharosoa . Teo koa ny Sefo fokontany sy ny filohan’ny RF2 ary ireo mpiara-miasa rehetra, izay nisaotra sy nankasitraka ny fiadidian’ny tanànan’Antananarivo ary nanome toky fa tena hanao izay ho afany amin’ny fanadiovana ny tanàna.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT