Sosialy

ONG Omena «Miaina herisetra ara-tsaina ny 80%-n’ny ankizy»


  • Talata 08 Aogositra 2023

Mitohy hatrany ny sampan-draharaha tsy miankina na ONG Omena amin’ny ady amin’ny atao hoe herisetra ara-tsaina. Navoaka tetsy amin’ny Radisson blu

Ambodivona indray ny faran’ny herinandro teo ny andiana tanora niofana momba izany nandritry ny 12 volana. Araka ny fanazavan’i Tiana Harizo Randrianantenaina, tomponandraiki-paritra na “country officer” eo anivon’ity ONG ity, dia ankoatran’ny fiofanana nomena ireto tanora ireto dia nisy koa fampiharana izany tamin’ny alalan’ny fidinana an-kianja mandra-pivoakan’izy ireo ho mpanabe fiarahamonina na “éducateur communautaire” toy izao nanomezana azy ireo ny sertifika mifandraika amin’izany izao nandritry ny 5 volana. Afaka mandeha any amin’ny fiarahamonina sy sekoly, noho izany, izy ireo avy eo mampihatra izay nianarany, hoy izy. Paikady hitanay hiadiana amin’ny herisetra ara-tsaina ny fanapariahana ny antsoina hoe “intelligence émotionnelle” na faharanitan-tsaina amin’ny lafiny fihetseham-po. Tsy dia firesaka loatra ny antsoina hoe herisetra ara-tsaina. Ao anatiny ny fanalam-baraka, fanambaniana, fandrabirabiana ny olona, teny marary rehetra atao, ireny rehetra ireny dia misy voka-dratsy ara-tsaina ho an’ny tsirairay ary mety hiteraka hatramin’ny famonoan-tena. Miainga amin’ny herisetra ara-tsaina ny herisetra ara-batana rehefa tsy mahavita mahafehy fihetseham-po ny olona iray na be loatra ny mahazo azy dia lasa mamono. Miaina anaty herisetra ara-tsaina ny 80%n’ny ankizy kely raha ny antotan’isa nomen’ny firenena mikambana tamin’ny alalan’ny UNICEF ny taona 2019. Ho antsika eto Madagasikara dia mahatonga izany ny ray aman-dreny kizitin-dava, manao teny marary matetika amin’ny ankizy, tsy dia manome fitiavana loatra ny zanany. 38 mianadahy moa ireto andiany navoaka ireto, hoy hatrany ny fanazavana. Miisa 250 ankehitriny ny mpikamban’ny Omena maneran-tany, hoy ny filoha mpanorina azy, Francesca Raoelison, ary miisa 5000 eo ny isan’ny olona nobeazina sy nampahafantarina momba ny herisetra ara-tsaina izay.
J. Mirija
Legende: Ny filoha mpanorina ny Omena
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT