Sosialy

ONG « Ny fanahy maha olona » Hanampy amin’ny fitsaboana an’i Karenne Ramarojaona


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Nanambara ny faran`ny herinandro lasa teo ny Fikambanana « Ny Fanahy maha Olona » fa hanampy amin’ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana an’i Karenne Ramarojaona izay tovovavy kamboty tratry ny aretina ny voany roa.

 

 

 

Eo amin’ny dingana fahadimy ny aretin’ity tovovavy ity ka mila fandidiana sy fanoloana vao atao any ivelany izy. Noho ny havesatry ny sarany ilaina amin’ny fitsaboana, izay mitentina 80 tapitrisa ariary, dia nisy antso tolo-tanana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera natao ho fanampiana azy. Ho famaliana ny antso no nahatonga ny fikambanana « Ny Fanahy no maha olona » hifanampy amin’ny fitsaboana azy izay hatao any India. Hisy hetsika ara-panatanjahantena hotontosaina ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena, Mahamasina, miaraka amin’i Eric Favre sy i Morgan Aste, mpanao Body Building fanta-daza eran-tany, anio alatsinainy mba ho fandraisana anjara amin’ny tolo-tanana, hoy ny filoha mpanorina, Ny Rado Rafalimanana. Ankoatr`izay, hisy ihany koa “gala” anasana ny malala-tanana rehetra, hotontosaina amin’io alatsinainy io ihany fa saingy ny hariva ao amin’ny Hotel Colbert. Nomarihan`ny filohan`ny fikambanana fa hatolotra an’i Karenne izay vola voaangona rehetra amin’ireo hetsika voalaza ireo. Ny tsy feno amin’ny sarany dia horaisin`ny fikambanana an-tanana. Eo ampiandrasana ny fotoana ahafahana mandefa azy any ivelany anefa  dia manentana izay terem-panahy ka afaka manolotra voa ho an’i Karenne ny fikambanana « Ny Fanahy maha Olona » mba hifanatona aminy.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT