Sosialy

ONG MIAROZO MAHA-OLONA Nanolotra fanampiana ho an’ireo zaza sembana tao Ivato


  • Zoma 17 Desambra 2021

Tsy manadino ireo ankizy manana fahasembanana manerana ireo Fokontany 13 isa mandrafitra ny kaominina Ivato ny ONG Miarozo maha-olona amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao.

 Ankizy manana fahasembanana miisa 50 no notolorany fanomezana toy ny paty, vatomamy,vary…. omaly notarihin’ny filohany Randrianarisoa Jerry. Nambaran’ity farany nandritra izany fa niara-niasa tamin’ny Fokontany izy ireo no nahafahany nijery sy nifantina ireo ankizy manana fahasembanana ireo. Ankoatra izay dia nomarihiny manokana fa fikambanana manampy ny mpiara-belona lasibatry ny tsindry hazo lena eny anivon’ny fiaraha-monina ny fikambanana. Ny resaka lalana no tena hitondrany fanampiana amin’izany. Hatreto raha araka ny fanazavany dia ny resaka ady tany, ny fisarahan-panambadiana no ankamaroan’ireo taratasy voarainy ary efa nanaovany ezaka manokana. Efa tonga any Faratsiho kosa ny fikambanana, ho entina any Faratsiho ka hatrany Manakara.
Pati
Legende : Randrianarisoa Jerry, filohan’ny ONG Miarozo Maha-olona !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT