Sosialy

ONG Green Cross Tandindonin-doza ny governemanta Ntsay


  • Alakamisy 18 Oktobra 2018

Mitombo hatrany ny tsikera mahazo an`ny praiminisitra Ntsay Christian, indrindra amin`ny tsy fifehezan`ny ekipany. Namaly bontana an`ny mpanolotsaina manokana iray ao amin`ny primatiora ny filoha mpanorina ny fikambanana Green Cross, Andrianaivoson M.

 

 

 

Gilbert, noho ny filazana fa mpisoloky na mersenera ny tenany ary raisiny toy ny fanalam-baraka izany. Tandindonin-doza ny governemanta Ntsay fa misy akohovavy maneno, hoy izy hatrany. Nilaza izy fa miainga avy amin`ny tantara, fa na tamin`ny andron`ny praiminisitra Tantely Andrianarivo, maro ny tsikera teo anivon`ny ekipany na “staff” ka izao indray misy mpikambana ao anatin`ny ekipan`ny praiminisitra manao teny diso tafahoatra. Maro ny fanapahan-kevitra raisin`i Ntsay Christian no mitanila toy ny “acte de gouvernement” izay mahakasika ny datim-pifidianana. Iaraha-mahita fa ao anatin`ny fotoan`ny fahavaratra isika amin`izao kanefa nilaza ny praiminisitra fa ao anatin`ny main-tany ny 7 novambra ka amin`izao, maro ny kandidà no mitaraina satria na ny peta-drindrina aza simba avokoa ny ankamaroany. Efa nisy taratasy nalefan`ny ONG Green Cross tany amin`ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao, mahakasika ny fametraham-pialan`ny praiminisitra Ntsay ka anjarany no mitsara. Tsy misy ny hanongana azy fa kosa ny fanjakana mitanila ary iaraha-mahita isika amin`izao ka fahadisoana be goavana sy tsy fahombiazana. Mahakasika ny raharaha HFI na Hetsika Fanorenana Ifotony, dia notsindrian`i Andrianaivoson Gilbert fa tsy miaraka velively amin`ny HFI ny ONG Green Cross ary tsy mahafantatra  ny programa sy ny momba ny fanjakana gasy.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT