Sosialy

ONG AFFAMI Boriborintany faha-6 Nanofana maimaimpoana ny mpiompy


  • Zoma 03 Mey 2019

Saika misehatra amin’ny fambolena sy fiompiana avokoa ny mponina eny amin’ny boriborintany faha-6. Mbola olana anefa ary tsy mahatsara sy tsy mampivoatra ny vokatra ny fampiasana ny fomba nentim-paharazana.

 

 

 

 Izany indrindra no antony nahatonga ny fikambanana ONG AFFAMI tarihin-dRamatoa Raherisoa Vololona nanatanteraka fiofanana maimaimpoana momba ny fiompiana omby vavy be ronono, kisoa, akoho gasy sy vorona omaly alakamisy 02 mey teny amin’ny efitrano malalaky ny fokontany Ambodivonkely. Ankoatr’izay dia nisy ihany koa ny fanaovana vaksiny ny biby ka antsasa-bidy ihany no naloan’ireo mpiompy. Izany no natao mba hijerena akaiky ny mpiompy sy ny mpamboly izay maro an’isa eny amin’ny boriborintany faha-6. Mbola hitohy hatrany moa ny asa sosialy hotanterahin’ny fikambanana AFFAMI ka hisy indray ny fanatanterahana famoran-jaza faobe maimaimpoana hanomboka ny sabotsy 11 mey ho avy izao ary  hifarana ny sabotsy 01 jona ho avy izao. Amin’ireo fotoana ireo moa dia homena malabary sy kilalao ary vatomamy sy biskoitra maimaimpoana ireo zaza.

Tsirinasolo

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT