Sosialy

Omby gasy Hatsaraina ny lalàna, hiverina ny fanondranana


  • Zoma 16 Septambra 2022

Nisy ny atrikasa fakan-kevitra ho fanavaozana ny làlana hiarovana ny omby gasy, araka ny tatitra nataon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE) omaly.

Reharehan’i Madagasikara ny fananana omby gasy tsara ; manana ny lazany ihany koa ny Firenena eo amin’ny fahatsaran’ny vokatra hena sy ny vokatra azo avy aminy, izay afaka miantoka tsara ny fanjarian-tsakafo. Nisy araka izany io atrikasa fakan-kevitra io, nandinihana ny lalàna hiarovana ny omby gasy ka nitondrana fanitsiana sy fanatsaràna ny fepetra rehetra takiana amin'ny lafiny fahasalamana, ny hahafahana miaro ny omby gasy tsy ho lany taranaka ary koa ho fanomanana ny fitodihana amin'ny tsena ivelany any aoriana any, izay natao omaly 15 septambra 2022, tao amin’ny Carlton Anosy. Atrikasa niarahan’ny MINAE tamin’ireo mpisehatra ao anatin’ny lalam-pihariana omby. Izany dia ho fampiroboroboana hatrany ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara. Efa nisy ihany koa ny fifaneraserana ara-barotra teo anivon’ny tsena iraisam-pirenena, indrindra teo anivon’ny vondroana Eoropeanina. Ny taona 1997-2011 mantsy dia nisy ny « embargo » na ny tsy fahafahan'i Madagasikara nanondrana izany vokatra izany intsony. Anisan’ny anton’izany ny tsy fahafehezana ny fepetra takiana teo amin’ny lafin’ny fiompiana omby, ny ara-pahasalamana ary ny kalitaon’ny vokatra. Teo ihany koa ny mety ho fanahiana amin’ny fahalanian’ny taranaky ny omby, ka nandraisan’ny fitondram-panjakana izay fepetra tsy fahafahana manondrana izay intsony. Mbola hodinihana eo anivon’ny antenimiera ireo lalàna sy ny fehin-kevitra nivoatra ireo, araka ny fanamarihana. Zava-dehibe ny firosoana amin’ny fanaovazana ny lalàna sy ny seha-pihariana omby, izay efa hatry ny ela no tokony ho natao. Manan-danja ara-toekarana ihany koa ny ho fiverenan’ny fanondranana. Ny ahiahy kosa dia ny mety vao mainka hampirongatra ny asan-dahalo izay tsy mety foana. Matetika rahateo tsy mazava ny làlan’ny omby angalarina, izay ahiana ho misy ny fanondranana antsokosoko, fa eo ihany koa ny famatsiana ny hena anatiny rehefa tena zohiana. Raha ho an’Antananarivo manokana mantsy, manodidina ny 500 hatramin’ny 800 isan’andro ny filàna omby. Tena omby ara-dalàna avokoa ve ireny rehetra ireny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT