Sosialy

Olona rava trano tetsy Andrefan’ambohijanahary Mbola tsy manan-kisitrihana ny ankamaroany


  • Alatsinainy 16 Aprily 2018

Mbola tsy manan-kisitrahana ny ankamaroan’ireo olona rava trano tetsy Andrefanambohijanahary mandraka androany. Betsaka ireo voatery miara-monina amin’ny namany raha misy ireo koa ireo niverina nipetraka any amin-dRay aman-dReniny mihitsy.

 

Anisan’ireny Rtoa Ravaoarimahefa Julie Liliane,  Renim-pianakaviana manan-janaka enina. Nanofa trano tao Andrefanambohijanahary izy ireo saingy voatery nalana tao noho ny fandravana trano izay nitranga tao amin’ity faritra iray ity,  iray volana lasa izay.  Voatery nody  any amin-dRay aman-dReniny ity Renim-pianakaviana ity sy ireo vady aman-janany araka izany. Tena mahatsiaro mijaly anefa izy ireo noho ny hateren’ny trano. Toraka izany koa ny toerana hamonjen’izy dimy mianadahy zanany efa lehibe ny fianarany…Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana araka izany ireo rava trano etsy Andrefanambohijanahary  mba hijery akaiky ny mikasika azy ireo. Raha ny tena marina mantsy dia tokony hisy ny fijerena azy ireo fa tsy sanatria avela hampitombo isa ireo mpatory an-dalana sy mpangataka eto an-drenivohitra indray. Nanambara moa Rtoa Ravaoarimahefa  fa tsy mbola nisy nahazo fanampiana ireo mpiara-monina taminy rava trano hatreto raha voalaza kosa fa karana no nividy sy naka ny tany. Efa voafefy  tôle moa ity toerana ity ankehitriny, nialan’ireo trano hazo am-polony maro.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT