Sosialy

Olona naratra teny Mahamasina Dimy ireo mbola tazonina ao amin’ny HJRA


  • Zoma 05 Jolay 2019

Mbola miisa dimy hatreto ireo olona naratra mafy vokatry ny fifanosehana niseho tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina tamin’ny 26 jona hariva teo, tazonina etsy amin’ny hopitaly HJRA, hoy ny profesora Rakoto Alison Olivat.

 

 

 Ny iray amin’ireo no ankizy 12 taona, tazonina sy arahi-maso ao amin’ny sampana traumatologie D. Ny roa amin’ireo efatra ambiny kosa  mbola  tazonina ao amin’ny sampana fameloman’aina “réanimation chirurgicale” saingy efa azo lazaina ho mety ihany ny fahasalamany. Tsiahivina fa noraisin’ny fitondram-panjakana an-tanana avokoa ny fanaovana fitarafana, ny fanafody ilaina…. ho an’ireo marary ireo. Miisa 38 izy ireo tamin’ny alarobia hariva teo  ary efa nalefa nody any an-tokantranony daholo ny 33. Mikasika ireo razana voalaza fa tsy nisy mpaka kosa noho ny tsy fahafantaran’ny havany azy ireny dia nomarihin’ny profesora Olivat omaly fa  efa hita avokoa ny havan’ireo maty ary efa voalevina any amin’ny fasan-drazany daholo izy ireny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT