Nisehoana tranga nampiahiahy teny Ampanotokana omaly. Araka ny fitantarana, dia nisy olona nandeha tongotra hita reraka be.
Nijanona fa tsy afaka nanohy intsony ary nipetraka eo anoloana vavahady miala kely misy ahy, hoy ilay nahita ny tranga. Niala tato an-trano aho no teo ilay olona ary nohoveriko fa maka aina kely. Niverina aho adin’ny telo taty aoriana efa midaboka amin’ny tany izy. Maro no nandalo teo, fa tsy nisy nijery azy. Noho ny COVID-19 sy ny toromarika azo hoe rehefa misy mampanahy dia miantso ny 913, dia niantso io nahita io, raha ny fitantarany, ka nanazava ny tranga nisy. Ny valiny azo dia hoe: “Zareo any lavitra tsy misy azony atao fa mijereva mpitandro filaminana manodidina eo aminareo fa ry zareo mahalala ny tokony ho ataony”. Nandeha tongotra nitady mpitandro filaminana ary dia nahita teo Mahazo. Ary nanao tatitra ny tranga misy sy ny nolazaina ahy avy am antso 913. “Mijereva dokotera fa ry zareo no misahana izany” no setriny. Nanazava ilay nahita ny tranga fa tsy mahalala dokotera sady ny voalaza taminy avy tamin’ny antso 913 dia hoe manantona ny mpitandro filaminana…. Nisy fiara mpitondra fa nalefa nandeha. Nasaina hiara-hijery ny zava-misy ireo mpitandro filaminana satria 5 minitra miala eo ny toerana, saingy nilaza fa tsisy fiara. Mamo io fa nandalo teo aho fa mandehana mody, hoy ny iray, araka ny fanazavana hatrany. “Nody aho ary io nijanona nijery ilay olona. Ny hitako mangovitra be tanany. Raha mamo tsy haheno hatsiaka. Dia nalaiko sary hasehoko ny lehiben'ny fokontany. Soa fa nahita ahy ireo mpanasa lamba eo amin’ny bassin dia nintso Filoham-pokontany, ary izy no nikarakara ilay olona”, hoy ny mpitantara. Inona izany no ilàna ilay 913? Inona no ilàna ireo fiara tsy mataho-dàlana be dia be nandaniana vola tsy toko tsy forohana? Inona no ilàna an’ilay Borigady manokana? Aiza ny andraikitr’ireo manam-pahefana toa samy niala andraikitritra?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.