Sosialy

Olona mpandainga sy mpamadika palitao Atosiky ny fitiavam-bola, hoy ny psikôlôgy


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2018

Fomba fanao ratsy maro no mihamahazo vahana eto amintsika tato ho ato. Ankoatra ny famadihana palitao hataon’ireo mpanao politika mba hiarovany ny tombontsoany manokana dia mirongatra ihany koa ny famafazana lainga sy ny fampirafesana.

 Raha araka  ny resaka nifanaovana tamin’i Tatamo Razanadrakoto, anisan’ireo mpandinika fiarahamonina sady manampahaizana manokana amin’ny resaka serasera dia  ireo olona tia vola sy tia tena no tena mpanao ireo karazana fihetsika sy fomba ratsy ireo amin’ny ankapobeny. Misy kosa anefa ireo olona mbola misalasala fotsiny ihany ny amin’ny zava-misy hitany ka mivezivezivezy etsy sy eroa mijery sy mampitaha ireo izay  hitany fa tena azo hianteherana sy hametrahany ny safidiny. Mikasika ny resa-politika manokana dia nomarihiny fa maro amin’ireo antoko politika misy eto amintsika amin’izao no miantso olona iray mba hanohana azy sy hiara-kiasa aminy. Lasa mifidy izay olona tena manome volabe azy ilay olona antsoina ka taraiky avy hatrany ireo kely vola. Tsy ny Malagasy rehetra anefa no manao ireo fihetsika sy fomba fanao ratsy ireo,  hoy i Tatamo Razafindrakoto fa ireo tena tia ny tenany sy tia vola ihany, indrindra fa ireo mpikarama an’ady fotsiny ihany izay tsy mitsinjo ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Ny resaka fijangajangana manokana dia nomarihiny fa rehefa misy ny vola dia revo amin’ny fijangajangana ny olona na koa tsy manana mihitsy ka voatery manao entam-barotra ny tenany.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT