Sosialy

Olona mivalandrano etsy sy eroa Faritra maro no maimbo tsy azo iainana eto an-drenivohitra


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Toetra zary lasa raiki-tapisaka ao anatin’ny olona, indrindra fa ny lehilahy amin’izao taon-jato efa mazava be izao ny mivalandrano etsy sy eroa, tsy tahotra tsy henatra.

Faritra maro eto an-drenivohitra no maimbo tsy azo iainana, indrindra raha vao takontakona. Samy manao eny  avokoa mantsy ny olombelona sy ny alika, raha misy mandefa ventiny mihitsy ny sasany. Ekena fa ririnina ny andro izao ka matetika no te hivalandrano....saingy mila fahatsapan-tena sy fifehezan-tena kosa fa tsy eny an-dalambe no manao maloto. Efa maro rahateo ny toeram-pivoahana ho an’ny daholobe eny rehetra eny. Olombelona tahaka antsika ihany mantsy no manadio ireny toerana ireny ka tokony hotsaroana lalandava. Miteraka aretina maro samihafa ihany koa ireny maloto miparitaka etsy sy eroa ireny ka isika ihany no hifoterany eto.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT