Sosialy

Olona mitady trano 40 isan’andro raha kely


  • Alatsinainy 16 Janoary 2023

Hifampitadiavana ny trano amin’izao eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Raha araka ny fanadihadiana

natao tamin’ireny ivon-toerana miasa sy mivelona amin’ny asa fitadiavana sy fivarotana trano ireny dia mahatratra 40 isan’andro raha kely ny tolotra fangatahana azon’izy ireo. Saika manodidina ny 100.000 Ar ka hatramin’ny 200.000 Ar izany hofantrano izany ary lavitr’ireo toerana iva misy rano. Misy amin’ireo tompon-trano monina amin’ny faritra iva mantsy no leo ny fiakaran’ny rano sagady ka voatery mitady lalana. Misy koa anefa ireo mpanofa ary miala avy hatrany ho fitandroana ny fahasalamana. Vao manomboka rahateo ny fotoam-pahavaratra eto amintsika. Na izany aza anefa dia misy sarany izany fitadiavana trano izany fa tsy mandeha ho azy fotsiny. Tsy maintsy mandoa vola raha vantany vao mijery ilay trano amin’ny voalohany miankina amin’ny hofany. Ny antsasaky ny hofantrano ihany koa no tsy maintsy omena ilay mpanera na ilay ivon-toerana nahita izany rehefa tena tapa-kevitra ny hiditra ilay mpanofa ankoatra ny hofantrano iray volana avy hatrany. Tsy mora araka izany ny mifindra trano amin’izao. Mila manomana ana hetsiny vao milamina ny tokantrano iray ankoatra ny saram-pitaterana ny entana.
Pati
Legende : Mitady trano hifindrana ny ankamaroan’ireo mponina monina amin’ny faritra iva
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT