Sosialy

Olona misandoka ho dokotera Zazakely iray vao 15 volana monja no lasa jamba tsy fidiny


  • Zoma 09 Aogositra 2019

Mihamahazo vahana hatrany ireo olona misandoka ho dokotera eto amintsika. Fianakaviana iray indray no lasibatra tany amin’ny faritra, nanana zanaka vao 15 volana monja tratry ny areti-maso.

 

 

 

 Raha araka ny fampitam-baovao marim-pototra avy amina tompon’andraikitra iray dia mody notsabotsaboin’ireo misandoka ho dokotera nandritra ny efa-bolana ny mason’io zaza io.  Sady nakany vola ireo ray aman-drenin’ilay zaza nandritra izay no nampividianany fanafody tsy mifanaraka amin’ilay aretina akory. Jamba tanteraka ilay zaza vokatr’izany ka tsy mahita na inona na inona intsony. Tsy hipetra-potsiny moa ny holafitry ny mpitsabo manoloana ny tranga tahaka itony fa tsy maintsy handray fepetra. Lohalaharana amin’izany ny fanaovana fanadihadiana mikasika ireo olona fositra hahafahana manasazy azy ireny. Nomarihin’izy ireo manokana mantsy fa olona nahazo fiofanana tamin’ny resaka fitsaboana ihany no tokony hiandraikitra ny fahasalamam-bahoaka fa tsy izay rehetra te-hanao izany asa izany. Faritra telo ankehitriny no tena ahitana ireo olona misandoka ho dokotera dia ny ao Fianarantsoa, Faritra Boeny ary ny ao SAVA, hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT