Sosialy

Olona manana fahasembanana Mitaky ny hanitsiana ny lalàna miaro azy ireo


  • Alarobia 04 Desambra 2019

Tsy mbola tena misitraka ny zony feno ireo olona manana fahasembanana eto amintsika na dia efa nanao sonia sy nanaiky izany aza i Madagasikara.

 

 

 

Ny lalàna miaro azy ireo mihitsy no mbola mifanohitra amin’ny lalana iraisam-pirenena, hoy Radafiniantsoa Josoa, omaly tetsy amin’ny le pavé Antaninarenina ka tokony hahitsy haingana.  Diso mavesatra loatra mantsy ny olana sedrain’izy ireo raha araka ny fanadihadiana natao omaly. Ankoatra ny fanilikilihana dia betsaka amin’ireo fotodrafitrasa misy no tsy mifanaraka amin’ny filàny ka ahiana hitera-doza…. Nisy omaly ny  dinidinika ambany tafon-trano notanterahin’izy ireo niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka maro isan-tsokajiny. Lohahevitra ny hoe : ahoana no hahafahan’ny olona manana fahasembanana mandray anjara feno amin’ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy ? Raha izao mantsy no mitohy dia ho tratra aoriana tanteraka ny olona manana fahasembanana afaka 30 taona any ho any, hoy hatrany ny fanazavana. Marihina fa tany amin’ny distrikan’i Ranohira no nanaovana ny fankalazana ofisialy ny andro maneran-tany ho an’ny olona manana fahasembanana omaly raha nisy avokoa manerana ny Nosy. Miompana amin’ny fanafoanana ny elanelana misy eo amin’ny olona manana fahasembanana sy ny fiarahamonina ny lohahevitra novoasana hahafahan’ny rehetra mandray anjara mitovy amin’ny fampandrosoana ny firenena.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT