Sosialy

Olona kizitina sy mora misafoaka Vokatry ny ratram-po sy ny fahasahiranana


  • Zoma 20 Jolay 2018

Lasa sarotra iaraha-monina ny ankamaroan’ny olona eny anivon’ny fiarahamonina ankehitriny.

 
Misy ireo voahitsaka kely dia mamono mandratra mihitsy raha tsy lazaina intsony ireo karazana teny maharary avoakan’ny vavany. Noho ny ratram-po mahazo ny olona ankehitriny, hoy i Tatamo Razafindrakoto psikôlôgy no antony mahatonga izany miampy ny fahasahiranana mianjady amin’ny isam-baravarana isan’andro. Tsy azo tsinontsinoavina koa ny karazan’ilay olona izay avy amin’ny fototra niandohany mihitsy. Tadifitra ao ireo tia ady, mahay vava nefa misy ihany koa nosimban’ny fiainana toy ireo tsy nahazo fitiavana tamin-dray aman-dreniny mihitsy fa miasa lava ireto farany noho ny fitadiavana ka manjary maratra am-po ireo menaky ny ainy ary tsy matahotra ny mandratra ny hafa ihany koa. Ny fahaizana, ny fahalalana ary ny fahendrena ihany anefa, hoy Tatamo Razafindrakoto no hahafahana mifehy izany  ka tokony hiezaka ny tsirairay avy  raha tsy izany tsy feno ny mahaolona azy.

 

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT