Sosialy

Olom-pirenena tsy tia fahadiovana Nasaina nanadio tatatra sy namafa lalana


  • Talata 30 Jona 2020

Araka ny nambaran'ny fitondram-panjakana manoloana ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 dia nohamafisina ny sazy omena ireo olona minia tsy manara-dalàna.

 

 

 

 

Vao maraina ny polisim-pirenena avy amin'ny boriborintany voalohany sy ny fahavalo omaly dia nanatanteraka izany ary nanome asa iombonana ho an'ireo olona mpandalo tsy manaraka ny fepetra. Lohalaharana tamin’ireny ireo zatra manipy fonona bisikoitra, vatomamy, mosoara…. Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny andraikitra raisin'ny polisin'ny boriborintany voalohany moa izany ankoatra ny fanaraha-maso ireo tsy manao aron-tava. Mila mahatsiaro tena isika olom-pirenena araka izany fa ny vahaolana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina COVID 19 dia ny fiarovan-tena hataon’ny olona tsirairay amin'ny alalan'ny fanarahana ny toromarika napetraka ihany fa tsy hiandry mpitandro ny filaminana vao hahalala hatahotra.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT