Sosialy

Olom-pirenena leo vidim-piainana midangana Hihetsika amin’ny sabotsy


  • Zoma 26 Oktobra 2018

Taorian’ny fandavan’ny minisiteran’ny angovo ny vahaolana natolotr’izy ireo mikasika ny tokony hampidinana ny vidin-tsolika ny 13 septambra teo dia nilaza ny avy eo anivon’ny MCI na ny hetsik’ireo olom-pirenena leo vidim-piainana midangana fa tsy mijanona akory ny tolon’izy ireo.

 

 

 Ny sabotsy 27 oktobra izao, hoy ny filohan’izy ireo, Lalaina Razafindralambo, dia hanao fitokonana etsy Ambodifilao indray izahay, satria ivon’ny fiantsonam-piarakodia eto Antananarivo io. Tsy miova ny fitakianay dia ny hoe ampidino ny vidin-tsolika sy vidim-bary ary mangataka izay filoham-pirenena ho lany vaovao eo mba hijery ny sosialim-bahoaka amin’izay. Tsy manao politika, hoy izy, ny MCI saingy miombon-kevitra kosa fa loharanon’ny krizy ny fanakorontanana ka noho izany dia andeha isika aloha hiroso amin’ny fifidianana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT