Sosialy

Olom-pirenena leo vidim-piainana miakatra Hanao diabe amin’ny 10 aogositra


  • Talata 24 Jolay 2018

Ho fanehoana ny tsy fahafalian’izy ireo manoloana ny fiakaran’ny vidin-tsolika matetika eto amin’ny firenena sy ho fanoherana ny fanagejana ara-toekarena misy eto Madagasikara no antony hanaovan’ny avy eo anivon’ny hetsiky ny olom-pirenena leo vidim-piainana miakatra na ny MCI

  diabe hanentanany ny olom-pirenena mitovy hevitra aminy eto Antananarivo ny 10 aogositra izao, hoy ny fanazavan’ny filohan’ity hetsika ity, Lalaina Razafindralambo, tetsy amin’ny Tsara Vin Ambondrona omaly. Hitety ireo boriborintany enina ny hetsika, hoy izy ireo, ary amin’io fotoana io vao hofaritana ny lalana rehetra. Fitakiana sady vahaolana atolotr’izy ireo moa ny hoe esory ny mpandraharaha mpanelanelana amin’ny sehatra ara-tsolika eto amin’ny firenena ary aleo ny fanjakana no mivarotra. Ampidiro ao anatin’ny vondron’ireo firenena afaka manondrana solika na OPEP i Madagasikara, hoy hatrany izy ireo ary ampiakaro amin’ny alalan’ny fandanjana ara-barotra ny sandam-bola Malagasy. Raha ny lojika, hoy ny MCI, dia tsy tokony hiotra ny 3000 ariary ny litatry ny vidin-tsolika satria eo amin’ny tsena iraisampirenena dia 76,65 dolara ny baril, izany hoe ny 200 litatra. 3500 ariary eo ho eo ny sandan’ny dolara ka rehefa atao izany ny kajikajy dia maka tombony maherin’ny 2000 ariary be izao ny mpandrinjara solika eto. Tsy voafehin’ny mpitondra ny tsena anatiny kanefa izany no tokony ho handraikiny, hoy ireto tomponandraikitry ny MCI ireto.

J. Mirija / Tsiry


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT