Olan’ny rano sy herinaratra

«Mafy ny gasy! »


  • Talata 01 Oktobra 2024

Mafy ny gasy! Tena mahatanty saoka isika malagasy, hoy ny Kristianina

mandinika raharaha-pirenena, Ralaiarimanana. Tonga amin’ilay hira izy ity hoe «Ny jiro tsy mandeha, ny telefaonina tapaka», hoy izy. Ny rano koa tsy mandeha. Izay no ilazàko hoe tena mafy ilay malagasy. Tsy afaka mandroso. Na ny fahasalamana aza dia miantraika any amin’ny tsirairay satria tena misy olona matory, mitondra kidoro mihitsy eny am-bodin’ireny paompy ireny, miandry an’io rano io sao ho tonga ihany amin’ny alina nefa dia tsy tonga mihitsy ny rano. Miteraka tsy fampandrosoana mihitsy koa izany rehetra izany satria lany andro ianao milahatra rano. Raha tokony hiasa dia lasa lany andro milahatra rano. Lany andro koa ary mety hiakatra ny tosidrà amin’ilay tsy fahampiana torimaso. Raha 2 andro dia mety hoe rahampitso vao matory. Tena mafy ny gasy ary tena mahari-pery amin’ny zavatra rehetra. Mitokona ny etsy, mitokona ny eroa dia mampametra-panontaniana ihany indraindray fa hoe fa maninona no rehefa misy ny fitokonana dia toa mandeha ihany izany rano izany? Rehefa milamindamina indray ny olona dia miha mafy ny fahatapahana na rano io na herinaratra. Mila vahaolana izany rehetra izany. Eo ny hoe hanao lavadrano isika. Raha ny lavadrano sy ny vola resahina dia toa ohatran’ny volabe ihany sao dia azo hanaovana tohadrano na fitrandrahana hafa mifandraika amin’izany ny vola? Raha handany vola amina miliara ihany dia aleo hanaovana tohadrano hanampiana an’Andekaleka sy ny toerana rehetra manodidina satria manana rano isika. Matoa ny olona tsy mihetsika dia mitady ny haniny anio. Ny ampitso mbola heritreretina. Ny afak’ampitso tsy fantatra intsony na ho faty na ho velona. Midika izany rehetra izany fa mahantra isika malagasy. Tsy misy ny fandriampahalemana eto Madagasikara amin’izao. Mijaly ny olona. Antso, noho izany, no atao amin’ny fitondram-panjakana hoe ampio ny mpamboly ao anatin’izao main-tany izao! Hampidino ny vidina zezika! Aza akàna sarana vadin-tseranana na kely aza izany fa ny fampandrosoana ny tantsaha no fototry ny fampandrosoam-pirenena, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT