Olan’ny rano

Miandry ny fahatongavan-tsain’ny natao hamaha olana!


  • Zoma 22 Desambra 2023

Efa ho mandava-taona no tapaka ny rano

Ora vitsy monja sady kely ny fitosany ary tsy maintsy amin’ny alim-be no manangona raha te hamita tontolo andro manakaiky ny tokony ho izy ny ampitso. Ny hamita tontolo andro tomombana moa dia efa zary nofy sisa, eny fa na dia aty an-tanàn-dehibe izay efa hita ho niaina izany toe-javatra nandritry ny volana maro aza amin’izao fotoana izao. Tsy lazaina intsony ireo zerikanina mavo na “bidon jaune” mitandahatra manerana ny paompy eraky ny tanàna. Maro amin’ireo mponina eto Antananarivo no tsy matory araka ny tokony ho izy intsony satria miandry rano mandeha na alina na vao maraina. Iaraha-mahalala fa aina ny rano. Mbola mila ampahatsiahivina ve fa ilain’ny vatan‘olombelona ny misotro rano isan’andro? Inona no sakafo atokona ka tsy ilana rano? Ny fofona tsy zaka na avoakan’ny vatan’olombelona na fitaovana hafa aterak’izany any anaty fiarahamonina any moa tsy lazaina intsony. Ny aretina miparitaka nefa ny fahefa-mifidy amin’ny lafiny saram-pitsaboana iaraha-mahalala fa mikoroso fahana ny isan-tokantrano. Mitaraina ny ankamaroan’ireo orinasa mila rano amin’ny asa ataony isan’andro ka miteraka fatiantoka ho azy ireo ny fahatapahan’izany matetika. Miandry ny fahatongavan-tsain’ny natao hamaha olana!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT