Sosialy

Olan’ny rano fisotro ao Betafo Antsirabe Ho tonga amin’ny fipoahana ara-tsosialy raha…


  • Alarobia 29 Aogositra 2018

Tonga amin’ny nahiana ankehitriny dia ny olana mitranga mahakasika ny rano fisotro madio ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Betafo Antsirabe.

 Raha 3 000 Ar isam-bolana isan-tokantrano ny vidin-drano naloa teo aloha tamin’ny nitantanan’ny Kaominina dia midangana be ny vidiny takian’ilay orinasa tsy miankina mitantana ny fitsinjarana rano fisotro ao Betafo ao. Tafakatra an’aliny mihitsy ankehitriny. Nambaran’Atoa Ratiariniaina Jean Théobert na Rathéo, fa endrika fanangonan-karena mihoapampana loatra no misy ankehitriny fa tsy misy na dia kely aza ny fitsinjovana ny zo sy ny tombontsoan’ny mpanjifa izay tena lasa tompony mangataka atiny tanteraka. Ny olana fototra dia ny tsy nisian’ny nangarahara hatrany am-boalohany ka nahatongavan’io orinasa io sy ny nahazoany ny fitantanana ny rano ao Betafo na ny fomba fiasany ihany koa, indrindra ny fampiasany ireo fitaovana ampiasaina. Manaitra ny sain’ny tompon’andraiki-panjakana izahay eto Betafo, hoy Rathéo, mba hijery vahaolana haingana sy maharitra hisorohana ny fipoahana ara-tsosialy indray izay mety hitranga avy amin’ny fahatezeram-bahoaka.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT