Olan’ny rano eto Iarivo sy ny manodidina

Mpanasa lamba maro no very asa


  • Alakamisy 11 Aprily 2024

Tena aina ny rano. Amin’ny ankapobeny anefa dia toa tsy mahataitra ny orinasa JIRAMA

sy ny Fitondram-panjakana akory ny tsy fisian’izany eny anivon’ny fiaraha-monina na ny fahatapahany amam-bolana maro. Tsy vitsy ireo mandoa hofana kaontera fotsiny sisa isam-bolana fa na ny rano indray mitete aza tsy hita eny amin’ny paompin-drano ivelany sy ao an-tokantrano intsony. Lasa mividy rano lafobe hatrany amin’ny 1.500 Ar ny iray bidon miloko mavo ny tokantrano iray noho izany izay mety handany 10 bidon isan’andro. Ankoatra io fitomboan’ny vola mivoaka ao an-tokantrano io dia betsaka ireo fiantraikany ratsy ateraky ny tsy fisian’ny rano fisotro madio vatsian’ny JIRAMA eny anivon’ny fiaraha-monina. Renim-pianakaviana mpanasa lamba maro ohatra no very asa. Voakasik’izany ny eny Alasora eny izay lasa tsy manan-katao intsony hany ka miaina anaty fahasahiranana tanteraka izy sy ny ankohonany. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin-dRasoa, Renim-pianakaviana mpanasa lamba iray dia tokantrano 3 isan-kerinandro no hanasany lamba. Hahazoany 30.000 Ar izany hampandehanany ny fiainana ao an-tokantranony hividianana vary sy laoka isan’andro. Tao anatin’izay amam-bolana maro nahatapaka ny rano teny Alasora izay anefa dia very asa tanteraka izy hany ka ny tsy fisiana no manjaka ao an-tokantranony. Ankoatra azy moa dia nambarany fa am-polony maro ireo namany very asa toa azy nefa mamelom-bady aman-janaka avokoa. Aiza ho aiza amin’izany ny ady amin’ny fahantrana tanterahin’ny Fitondram-panjakana eto amintsika. Ireo efa mba manana antom-pivelomana aza hahena toa ireo mpanasa lamba indray mba ho tena sahirana tanteraka.
Pati
Legende : Mamelona ankohonana amin’ny sasa lamba avokoa ny ankamaroan’itony Renim-pianakaviana itony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT