Olan’ny rano eto Antananarivo

Vao mainka miha mafy


  • Talata 18 Jona 2024

Na dia efa hadrohadroan’ny mpanara-baovao aza hoe izao no fandrosoana eto amin’ny firenena aminy,

miaraka amin’ny fampiratiana ny sarin’ireo zerikanina mavo na «bidon jaune» mitohy milahatra mameno ny arabe dia mbola tsy mipoitra ihany hatramin’izao ny vahaolana amin’ity olan’ny rano eto Antananarivo ity. Vao mainka miha mafy aza, raha ny fitarainana voaray teny amin’ny boriboritany faha 3 sy faha 5 teny. Ny eny amin’ity farany moa dia efa zary hazo fijaliana tao anatin’ny 5 taona ny hoe amin’ny 5 maraina no tapaka dia amin’ny 11 ora alina fara-faha alohany vao miverina, raha ny voalazan’ireo mponina. Ho an’ny boriboritany faha 3 kosa dia efa manomboka miha mampiakatra hatrany ny fahasorenan’ireo mponina koa izany satria tato ho ato dia mifanakaiky amin’izany ora izany ihany koa ny fiverenan’izany, raha ny fampitam-baovao voaray omaly hatrany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT