Sosialy

Olan’ny rano eto Antananarivo Miha zava-doza andro aman’alina…


  • Alarobia 22 Mey 2024

Hiroso amin'ny fanoloana ilay hidim-pantsona 350 mihitsoka eny Ambatobe ny ekipa avy ao amin'ny Emergency Network Water

anio alarabia 22 mey 2024, araka ny seraseran’ny Jirama omaly. Vokany, hiato ny famatsian-drano amin’ny toerana maro, eo anelanelan'ny amin'ny 9 ora ka hatramin'ny 6 ora hariva amin’ity anio ity. Voakasik’izany Ankerana, Ankadindramamy, Soamanandrariny, Ambatobe, Mandrosoa, Masinandriana, Analamahitsy Cité, Analamahitsy tanàna, Andranobevava, Andrononobe, Andafiavaratra, Ambohitrarahaba, Antanandrano, Manjaka, Ambohipanja, Ankadikely, Ilafy, Antsapapandrano, Andranovelona, Ambohitraina, Ambodivoanjo, Androhibe, Ampetsapetsa, Ivandry, Mahatony, Alarobia Amboniloha, Soavimasoandro, Amorona, Ambaravarankazo, Ambohimailala. Nentanina ny mpanjifa mipetraka amin'ireo toerana ireo omaly mba handray ny fepetra mifanaraka amin'izany. Betsaka kosa ny olona naneho ny fahasosorany ka isan’izany ny fanamarihana fa efa isan’andro no tapaka ny rano fa izao vao mody asiana daty, Analamahitsy tanàna efa andro maromaro no tsy nisy rano ka vidiana 1500 hatramin’ny 2000Ar ny rano iray « bidon jaune », ny tanàna sasany efa telo andro nialohan’ny fampilazana no tsy nahazo rano intsony, ao ny efa herinandro mialoha,… Mifoha hatramin’ny faritra sasany toy ny hoe : Ambatomaro efa 2 taona tsy misy rano, Ampitatafika efa 5 andro no tapaka, ny eny Mahazo efa tao anatin’ny 4 taona no amin’ny 1 maraina ka hatramin’ny 5 maraina no mandeha ny rano, Antsahameva, Ambohimirary, Avaratra Ankatso efa 1 taona tapaka foana,… Ny 02 mey teo raha hiverenenana no efa nitaterantsika, ka mahatratra 60000m3 isan’andro ny tsy fahampiana rano eto Antananarivo amin’izao fotoana izao noho ny olana samihafa. Ny aprily 2024 teo dia tafakatra 49% ny faritra mavo tsy misy rano afatsy amin’ny alina, ary 18% ny faritra mena tsy misy rano na andro na alina. Tsy maintsy miditra amin’ny vahaolana vonjimaika hampitonitoniana ny zava-misy (Tsy misy fampiasam-bola lehibe) fa fampifandimbiasana ny fandefasana ny rano amin’ny alalan’ireo « vannes » miisa 9,… Henjana ny olana, saingy tsy tena misy vahaolana maharitra hatreto, fa tezatezaina amin’ny serasera sy fampitonitoniana eo. Dia ireny miafara eny Andalambe tahaka ny tamin’ny faran’ny herinandro teo toy ny tetsy Ankadifotsy sy Ambatomitsangana ny zava-misy. Moa mba tena mitondra vahaolana ve ny fitondrana sa mbola variana amin’ny propagandy sy manarontsarona ny fahoriam-bahoaka amin’ny fizarana jiron’akoho sy ny akanjo rebareba misy sarin’ny Filoha ?
Toky R
Sary indrana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT