Olan’ny rano eny Antehiroka

Hanangana fotodrafitrasa ny fikambanana Mamiratra


  • Alakamisy 25 Jolay 2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

hoy ny filohan’ity fikambanana misehatra amin’ny lafiny sosialy ao amin’ny kaominin’Antehiroka ity, Andrianarivelo Toky Harilanto. Sahirana loatra, hoy izy, amin’izao fotoana izao ny mponina ety anivon’ny fokontany miisa 9 eto Antehiroka amin’ny lafiny fisitrahana rano fisotro madio. Tena zara raha misy ny rano. Antony nanapahanay hevitra hanangana fotodrafitrasa, izay ho ataonay tsy ampoizina na hoe «surprise», isa-pokontany izany. Misy amin’ireo fokontany ireo no efa nanaingana ny asa fanamboarana izany. Ny azo ambara aloha dia fotodrafitrasa hahafahan’ny mponina misitraka rano fisotro madio vaovao no ho atao mba hahafahan’izy ireo miala amin’ny fahasahiranana sy miaina toy ny olon-drehetra. Na ny eny amin’ny paompy aza tsinona izao tena tsy misy satria tapaka matetika ny rano. Ambohibao, Andranoro, Morondava, Ambohiroa, Ambohijanahary, Antanamohatra, Antsakambahiny, Antanetibe, Imerinafovoany moa ireo fokontany miisa 9 ireo. Izany hoe mponina mihoatran’ny 30.000 isa any no kasaina hisitraka ireo fotodrafitrasa ireo ary tsy hanavahana sarangan’olona izany. Efa iaingan’ny tetikasa izao ny eny Antanetibe, Antanamohatra, Antsakambahiny. Mikasa ny hanohy ny manaraka indray izahay amin’ity herinandro ity satria maro ireo fokontany mbola mila izany. Ankoatran’izay moa dia manome fiofanana maimaipoana hatrany ho an’ireo mponina eto Antehiroka ny fikambanana na ho an’ireo mpikambana izany na ho an’ireo vao mikasa hiditra anatin’izany. Eo ny fiofanana ho mpiasa an-trano na antsoina amin’ny teny vahiny hoe «Valée de chambre» sy «femme de chambre». Eo koa ny «call center» na asa ampitain-davitra, ny fambolena, ny fanaovana zezika kankana ary ny «crochet» na tenona lamba, ny fanamboarana savony, fanaovana mofomamy. Jerena manokana etsy ankilan’izay ny ankizy kely sahirana. Hiampy foana ireny fampiofanana ireny, arakaraky ny fangatahan’ireo mponina. Ezahana ny manome tolotr’asa sy fampidirana ireo tena sahirana amin’ireo orinasa misy na koa mamatsy fitaovana ho an’ireny tsy an’asa ireny mba hiarenany amin’ny fiainany, hoy hatrany ny Mamiratra Antehiroka.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT