Sosialy

Olan’ny rano eny Ankatso “Misy miari-tory amin’ny 12 alina mbola tsy mahazo”


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

Tao anatin’ny 2 volana izao dia nisedra olana ny fisitrahana rano ho an’ireo fonenan’ny mpianatra eny Ankatso. Ho an’Ankatso I manokana izao,

hoy ny filohan’ny fikambanan’ireo mpianatra, dia taterina fiara ny ranon’ny JIRAMA vao tonga eny amin’ny paompy. Isan’andro izany no tonga teo aloha fa ankehitriny kosa indray isam-bolana ka mampikaikaika ny mpianatra rehetra, hoy izy. Ireo mpianatra mampiasa rano hanasana lamba sy ny kojakoja rehetra ao an-tokantrano. Ho an’Ankatso II indray dia isaky ny adin’iray isan’andro no mandeha ny rano. Tsy misy azon’ny mpianatra atao fa dia milahatra. Amin’ny 12 alina amin’io no mandeha ny rano ao Ankatso II. Misy miari-tory milahatra nefa tsy mahazo. Ny fianarana nefa henjehina ihany. Mikasika ny trano fonenana kosa moa manoloana ny zava-misy ankehitriny dia samy mifampitsinjo eo aloha izany ny samy mpianatra mifanampy ihany koa amin’ny lafiny fanefana hofan-trano izay tena lafo tokoa, hoy hatrany ny solontenan’ireo mpianatra monina eny Ankatso eny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT