OLAN’NY RANO ENY ALASORA

Resabe fotsiny ny an’ny Ministra tompon’andraikitra


  • Talata 16 Aprily 2024

Tsy mbola voavaha ihany fa vao mainka miharatsy ny olan’ny rano ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.

Raha araka ny vaovao azo omaly teny an-toerana mantsy dia maina tsy nisy rano indray ny mponina efa ho andro maromaro izao. Vokatry ny fahavakisan’ilay fantsona lehibe ao Ambatonjara izay simba matetika heverina fa anton’izany saingy nohamafisin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy fa tena tsy misy hifandraisany amin’ny famatsian-drano tokony hataon’ny JIRAMA ao Alasora mihitsy. Vao mainka nitombo isa ireo Fokontany lasibatra noho izany toy ny ao Mahatsinjo, Ampahibato, Ambohimarina ary ny ao Ambohitanety. Ahiana hatrany ny mety hisian’ny fandrahonana hitokona momba ny tsy fisian-drano hataon’ny mponina ao Alasora vokatr’izany hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity. Mikasika ilay fampanantenana nataon’ny Ministry ny rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana teny an-toerana dia fantatra fa mbola mijanona ho resabe aloha izany. Tsy mbola misy ny famenoana rano ireo bombones isaky ny Fokontany isan’andro. Tsy mbola misy ihany koa ny fametrahana bombones amin’ireo Fokontany mbola tsy manana izany, ny fampidirana jiro amin’ireo forage efa vita kanefa mbola tsy miasa ary ny fanomezana forage avy hatrany ny vahoaka mba hahafahany mampiasa izany. Mbola ny rano vatsian’ny Fikambanana kolorano sy ny avy any an-dobo ihany aloha hatreto no tena mamelona ireo mponina.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT