Sosialy

Olan’ny Panier Garni Ampahafantaro mazava ny vokatry ny fanadihadiana, hoy ny PASEM


  • Zoma 10 Janoary 2020

Ny PASEM na ny fiaraha-mientan’ny fikambanana sy sendikan’ny fanabeazana eto Madagasikara izay ivondronan’ny fikambanana sy

 

 

sendika miisa 23 eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fanofanana arak’asa dia nanao fanambarana fa misaotra ny fitondram-panjakana noho ny fitsimbinany ny mpiasam-panjakana tamin’ny fanomezana “Panier garni sy fampiakarana ny  karama”. Tsy mankasitraka ny endrika fanavahana eo amin’ny samy mpiasan’ny minisitera tamin’ny fizarana izany anefa ary miandry ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny IGE na “Inspection Générale de l’Etat”. Angatahana, hoy ny PASEM, mba hampahalalana ny maro ny vokatry ny fanadihadiana ary mitaky fanasaziana ho an’ireo izay nahavita heloka . Misarika ny sain’ny fitondrana mba hanaja ny teny nifanomezana . Ohatra amin’izany ny mikasika ilay 50.000 Ariary manomboka ny volana janoary izay omena ny mpiasan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fanofanana arak’asa rehetra tsy an-kanavaka, Ny fanomezan-danja ny traikefa sy fahaiza- manao eo amin’ny sehatry ny fanabeazana amin’ny fitantanan-draharaha rehetra eo anivon’ny minisitera. Eto am-pamaranana dia mbola mamerina hatrany ny firarian-tsoa ho antsika rehetra, ary hiandry am-pitoniana ny vokatry ny fanadihadiana, hoy hatrany ny fanambarana.

J. Mirija   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT