Sosialy

Olan’ny mponina eny Andrefan’i Mananjara Nitondra vahaolana ny kandida Ramboasalama


  • Alarobia 27 Martsa 2019

Mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra ary manana adidy eo amin’ny fiarahamonina ny kandida laharana faha-4 atolotry ny antoko Tiko I Madagasikara ao anatin’ny boriborintany faha-4 eto Antananarivo Atoa Ramboasalama Emilien.

Nidina ifotony nijery ny olan’ireo mponina ao amin’ny fokontany Mananjara izay ao anatin’ny boriborintany misy azy ny tenany nihaino ny hetahetam-bahoaka. Itarainan’ireo fokonoloana ny lalana, fandriampahalemana ary ny rano mihandrona tsy misy fivoahany. Ireo beantitra izay nihaona taminy dia nangataka ny hijerena azy ireo akaiky, indrindra ny fakana ny fisotroan-dronono sy ny maha olona amin’ny fampiasana karatra maitso. Nisy ny fanampiana ireo beantitra miisa roan-jato ao amin’ny fokontany Andrefan’i Mananjara, toy ny vary sy menaka. Ireo mpanasa lamba ihany koa dia notolorana savony sy borosin-damba entina hanamaivanana ny asan’izy ireo. Ny fotodrafitrasa ao amin’ny biraom-pokontany dia hasiana fanamboarana toy ny varavarankely ary ny valin-drihana. Hohavaozina ny trano ho an’ireo mpitandro ny filaminana dia ny tobin-janaparitra (poste avancé) ho an’ny polisy hanatsarana ny fandriampahalemana. Nisy ny fizarana takamoa apetraka hanazavana ny tanàna iarahana miasa amin’ny JIRAMA.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT