Sosialy

Olan’ny Mpandraharahan’ny oniversite Mila didim-panjakana ny “Indemnité de technicité”


  • Alakamisy 28 Oktobra 2021

Ho fampahafantarana ny dingan’ny famahana ny olana momba ny « indemnité de technicité » izay anton’ny fitokonan’ny mpandarahara PAT (Personnel Administratif et Technique) eny anivon’ny oniversite tato ho ato,

 dia notsiahivin’ny minisitra Assoumacou Elia Béatrice izay mamita iraka any Mahajanga, fa tolona sendikaly no nahazoana azy io tamin’ny taona 2003. Noho ny hamehana tamin’izany fotoana izany dia nomena avy hatrany hisitrahan’ny mpandraharahan’ny oniversite rehetra izy io na dia tsy nisy ny fehezan-dalàna, na didim-panjakana, na didim-pitondrana mamaritra ny fisiany sy ny mombamomba azy. Ny taona 2003 anefa dia nivoaka ny lalàna mahakasika ny EPN na « Etablissements Publics Nationaux » ka tafiditra ao anatin’io ny oniversité, lalàna izay milaza fa tsy maintsy didim-panjakàna no mamaritra ny tombontsoa rehetra isitrahan’ny mpiasam-panjakana ka isan’ireny ny tambin-karama na « indemnité ». Ny fampiharana io lalàna io no nahatonga ny « Contrôle Financier » nanaisotra ny « indemnité de technicité » tao amin’ny karaman’ny PAT. Nisy ihany ny vahaolana vonjy maika noraisina nanomboka ny taona 2018 ka hatramin’ity taona 2021 ity, tamin’ny fandoavana azy amin’ny alalan’ny teti-bola voatokana hofampihodinan-draharaha « budget de fonctionnement » izay samy manana ny azy ny isaky ny oniversite. Ny volana may 2021 anefa dia nivoaka ny lalàna mandrara ny fandoavana tambin-karama «indemnité», amin’ny alalan’ny teti-bola fampihodinan-draharaha na « budget de fonctionnement »,…. Niady ny ministera mba haverina ary ho ny taha ambony ny horaisina mba tsy hisian’ny fihenana. Tsy maintsy averina amin’ny mpandraharaha PAT ny « indemnité de technicité » satria isan’ny miantoka ny fivelomana « à caractère alimentaire », noho izany tsy azo tapahina.,… Tsy maintsy arafitra ao anatin’ny fotoana haingana indrindra ny didim-panjakana ahafahana mamerina azy. 3 andro monja no nandrafetana io « projet de décret », ka isan’ny voafaritra ao ny fampitoviana azy ho 320 000 Ar isam-bolana hoan’ny PAT tsy ankanavaka. Efa voasonian’ireo minisitra 4 voakasika izy io, eo am-piandrasana ny fahatanterahany tsy ho ela ny rehetra, hoy ny Minisitra.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT