Sosialy

Olan’ny mpampianatra Sekoly maro hikatona mandritra ny herinandro


  • Talata 14 Janoary 2020

Mbola miantona tanteraka ny fampianarana eny anivon’ireo lisea maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina ankehitriny.

 

 

 

Tsy misy mety hampianatra ny mpampianatra rehetra noho ny fihetsiky ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika izay nambaran’izy ireo fa fanivaivana sy fanambaniana azy tanteraka. Ny mpampianatra no tena kofon’ny vovo-dakre sy  reraka amin’ny  fanabeazana ny zana-bahoaka isan’andro  nefa izahay indray no omena ilay ambim-bola  9300 Ar fa tsy ilay 65.000 Ar. Raha araka ny fanazavan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina anefa, hoy izy ireo dia tokony hahazo  io avokoa ny rehetra. Tsy hampianatra mihitsy izy ireo mandritra ity herinandro vaovao ity. Ny fanazavan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina no andrasan’izy ireo amin’ny maha Raiamandrenin’ny Malagasy azy vao hiverina handray ny asany izy ireo. Amin’ny alatsinainy 20 janoary indray vao hanatanteraka fihaonam-be ireo mpampianatra eny anivon’ny lisea maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina hahalalana izay mety ho tohin’ny fitokonana na hitsahatra amin’izay. Sekoly lehibe maro eto Antananarivo Renivohitra no voakasik’ity resaka ity, miampy sekoly avy any amin’ny faritr’i Talatamaty, Ambohidratrimo, Ivato, Itaosy sy toerana maro hafa eto Antananarivo. Misy milaza fa hanatevina ny fitakiana ihany koa ny avy any amina faritra hafa manerana ny nosy.Ny tsikaritra dia marobe ireo mpianatry ny lisea nirenireny fotsiny omaly miandry ny fotoana hiverenan’ny asa fampianarana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT