Olan’ny JIRAMA

Mamaivay koa ny tsy fisian-drano!


  • Alarobia 23 Jolay 2025

Ny olan’ny herinaratra no tsikaritra ho niha lefilefy tao ho ao na dia tazana

ho miha miverina indray aza izay fahatapahan’ny herinaratra izay tato ho ato, raha ny eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina no ambara. Amin’ny ankapobeny, fahatapahan’ny herinaratra eo amin’ny fahefa-kadiny eo no matetika mandalo, hoy ny fanazavàn’ny mpanjifan’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA iray teny amin’ny boriboritany fahatelo teny. Naharitra ora roa teo kosa izany teny amin’iny boriboritany faha 5 toa an’Ambatomainty sy Amboditsiry iny ny alatsinainy teo, raha ny fitarainana voaray. Naharitra toy izany koa tany Itaosy tany. Etsy ankilany kosa, dia miha mamaivay koa ny tsy fisian-drano eto an-drenivohitra, raha ny angom-baovao voaray omaly hatrany. Ny alin’ny alatsinainy tamin’ny 9 ora ka hatramin’ny 9 ora sasany teo izao izahay no afaka nanangon-drano kely dia tapaka indray ilay izy, hoy ny raim-pianakaviana iray. Niverina kely tany amin’ny 6 ora maraina tany dia tapaka indray tamin’ny 7 maraina ary tsy niverina hatramin’izao, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT