Sambany hiditra ny birao fiasan’ny minisitra Mapar Razanamahasoa Christine anio ny depiote Naivo Raholdina , filohan’ny vaomiera mpanadihady ny olana amin’ny fananan-tany eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, araka ny nambarany tamin’ny mpanao gazety teny Tsiazotafo-Ambondrona omaly.
Hitondra dosie amin’ny kilao misy ny hetahetam-bahoaka mikasika ny fananan-tany eny aminy aho, hoy izy, no hijery ihany koa an’ireo antontan-taratasy mikasika fangatahan’olona tanim-panjakana miisa 1000 mahery any ho any tsy voasonian’ny minisitra teo aloha hatramin’ny taona maro. Nambaran’ity depiote ity omaly fa mirongatra ankehitriny ny “mpi-bizina” sy mpanera tany eto amintsika. Mampiasa ny anaran’olona ambony eo amin’ity sehatra ity izy ireo ary misy mihitsy aza ny manao fandrahonana olona tsotra izao ary misy koa ny mitonona ho pasitera manaratsy endrika trano fiangonana lazainy fa misy azy. Misy amin’izy ireo manangana olona amin’ny maty ka mahavita kara-panondro hosoka hisolokiany taratasin-tany. Misy kosa anefa no efa voasambotra sady niaiky ny helony ary misy mbola hosamborina tsy ho ela. Tsy hipetrapetraka amin’izao amin’ity resaka fanan-tany ity ny depiote Raholdina, hoy ny nambarany ary ny minisitra Mapar dia minisitr’i Madagasikara ka tsy maintsy mihetsika mamaha olana raha mifanandrify amin’ny andraikiny. Ambarako etoana koa, hoy izy, fa manomboka izao dia tsy tokony hanatona olona mpanelanelana intsony ny olon-drehetra rehefa hikarakara resaka taratasy fananan-tany fa rehefa misy ady tany mihatra na misy mibodo tsotra izao ny taninao dia mametraha fitoriana mivantana eny amin’ny fitsarana. Faharoa dia fefeo ny taninao tsy ahafahan’ny hafa manao zavatra hafa eo. Fahatelo fantaro ny “situation juridique” an’io tany io ary karakarao raha sanatria tsy misoratra aminao. Marihako fa raha misy manana tany mirefy 1000 m2 aty an-drenivohitra sy mirefy 5 ha any ambanivohitra ka tsy voajarin’ny tompony dia azo haverina amin’ny fanjakana izany manomboka izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.