Sosialy

Olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo Hovahana amin’ny alalan’ny kamio “citerne”


  • Alarobia 14 Aogositra 2019

Tsy mitsahatra ny mikaro-kevitra hamahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina ny mpitantana ny orinasa JIRAMA.

Nisy ny fifampidinihana an-databatra boribory notarihin’ny minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoranafo, Vonjy Andriamanga, ny alahady lasa teo, nijerena ny fomba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina amin’ny olan’ny famatsian-drano madion’ny JIRAMA. Tapaka nandritra ity dinika ity fa hovahana sy hohamafisina ny fitsinjarana rano amin’ny alalan’ny kamiao « citernes » ka hisy ny fametrahana « citernes » 5 hatramin’ny 10m3 eny amin’ireo fokontany izay tena ianjadian’ny tsy fisian-drano. Hifampidinika amin’ny kaominina sy ny fokontany voakasika ny tompon’andraikitra eto anivon’ny orinasa JIRAMA, amin’ity herinandro ity, hahafahana mandrindra ny asa sy mametraka olona hiandraikitra ny fizarana rano. Toy ireny maka rano amin’ny paompin’ny daholobe ireny ny mpanjifa ka hisy ny sarany haloan’izy ireo, izay tsy mbola voafaritra. Ho vahaolana maharitra kosa dia hisy ny fikarohana ireo loharano azo trandrahana hamokarana rano. Ho an’ny faritra andrefan’Antananarivo dia voaresaka ny tetikasa hanaovana « forage » miisa enina, eny Ambohidrapeto ka vinavinaina hotanterahina amin’ity herinandro ity ny fitrandrahana andrana ny fitosahan’ny rano « débit » eny an-toerana. Ampahatsiahivina fa misy ihany koa ny tetikasa hiarahan’ny orinasa JIRAMA sy ny BEI (Banque Européenne d’Investissement) izay miompana indrindra amin’ny fanatsarana ny tambajotra fitaterana rano eto Antananarivo ary ny fampitomboana ireo tobim-pamokaran-drano. Vinavinaina hatomboka amin’ny voalohan’ny taona 2020 ity tetikasa ity. Mialoha izany dia taterina hatrany fa mandroso ilay asa fanorenana tobim-pamokaran-drano eny Amoronankona, izay afaka hamokatra rano 200 m3 isan’ora. Andrasana afaka herinadro vitsivitsy ny fahavitan’ny asa.

 

Pati sy Marigny

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT