Sosialy

Olan’ny Coronavirus Malagasy 1000 no mihitsoka any ivelany


  • Alarobia 03 Jona 2020

Taorian` ny fanakatonana ny sisin-tany noho ny aretina coronavirus, maro ireo teratany Malagasy mihitsoka any ivelany: mpiasa manao iraka any ivelany, mpianatra, mpizahan-tany…

 

 

 

 

Miisa 1256 izy ireo, hoy Djacoba Liva Tehindrazanarivelo, minisitry ny raharaham-bahiny, omaly, nandritra ny tatitry ny asa vitany manoloana ny Antenimieram-pirenena. Nomarihany fa ireo teratany ireo dia hiantohan` ireo masoivoho Malagasy any ivelany. Raha tsiahivina, ny 14 martsa no nanapa-kevitra hampiato ireo sidina mampifandray amin` ny any ivelany ny Filoha Rajoelina. Nanana dimy andro kosa ireo teratany Malagasy sy vahiny monina eto amintsika hamonjy fodiana teto amin`ny firenena. Hatramin` izao dia mbola taraiky any ivelany ireo tsy afaka nanaraka ny fandaminana noho ny antony samihafa. Tsy mbola misy kosa fikasana hampodiana azy ireo na dia efa maro aza ny fangatahana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT