Sosialy

Olan’ilay “Panier Garni” Nitokona ny mpampianatra, nalefa nody ny mpianatra


  • Alakamisy 09 Janoary 2020

Nalefa nody avokoa ireo mpianatra mandranto fianarana eny anivon’ny liseam-panjakana teto an-drenivohitra, omaly.

 

 

 

Anisan’ny nahitana izany ny tetsy amin’ny LMA Ampefiloha, ny Lisea Jean Joseph Rabearivelo….Noho ny fitokonana tanterahin’ny mpampianatra manoloana ilay raharaha “panier garni” 65.000 Ar no voalaza fa anton’izany. Raha araka ny feo mandeha indray mantsy dia tsy mahazo io mari-bola io ny mpampianatra fa natokana ho an’ireo mpiasa am-birao ihany izany. Nanambara ary ireo mpampianatra fa tsy hiverina  hampianatra raha tsy mahazo valin-teny mahafa-po ao anatin’ny filan-kevitry ny ministra izay notanterahina omaly hariva. Ho an-dRamananantony Lalaina, lehiben’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra manokana  dia nambarany fa tsy misy ny azo hatao rehefa ireo mpampianatra no mitokona noho izany dia samy miandry ny fapahan-kevitra raisin’ny mpitondra ny roa tonta. Ho an’ireo mpianatra kosa indray dia nanaiky izy ireo fa rariny ny fitokonana hataon’ny mpampianatra saingy na izany aza dia tokony samy handinika izy ireo sy ny mpitondra hoy izy ireo ho fitsinjovana ny zaza Malagasy, indrindra fa ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana. Efa telo andro omaly mantsy izy ireo no tsy nisy mpampianatra hany ka lany saran-dalana sy fotoana  nivezivezy fotsiny.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT