Sosialy

Olana ny solika, antitra ny fitaovana Tsy misy vahaolana matotra ny delestazy


  • Alatsinainy 11 Novambra 2019

Tsy nisy izay tsy nitaraina tamin'ny fahatapahan-jiro matetika teto an-drenivohitra ny faran'ny herinandro teo ny isan-tokantrano, nanomboka ny zoma, sabotsy ary omaly alahady.

 

 

 

Nanimba fananana mihitsy izany ho an'ny sasany; antony nitondran'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny jirama fanazavana omaly teny Ambohijatovo. Nambaran-dRasamoelina Solotiana Andriamifidisoa filohan'ny filankevi-pitantanan'ny orinasa jirama tamin'izany fa olana ara-tsolika no nahatonga ny delestazy tamin'ny zoma teo. Vokatry ny fihenan'ny rano tao Mandraka kosa izay tena mamatsy an'Antananarivo no antony nahatonga izany tamin'ny sabotsy. Nidina ho 2 megawatt monja mantsy ny rano azo tao Mandraka raha 24 megawatt no filana mahazatra. Ankoatra ireo olana ireo anefa, hoy hatrany ny jirama dia efa tena antitra avokoa ny fitaovana, be loatra ny mpampiasa jiro nefa ny fotodrafitrasa misy efa tany amin'ny 30 lasa no tsy maintsy hampiasaina arahin'ny filalaovan'ny ankizy papango izay manimba ireo fitaovan'ny jirama. Hisy ny vahaolana vonjimaika horaisin’izy ireo manomboka amin’ity herinandro vaovao ity toy ny fanoloana ireo tariby mitondra herinaratra mirefy 300 km eto Antananarivo, ny fanamboarana sy fanoloana ireo tranformateur hita fa tena maika; ny fanoloana ny bakoly eny amin'ny andrin-jiro....Tsy midika izany, hoy ny jirama fa hitsahatra ny destazy saingy tsy maintsy mbola hotapahina ihany ny jiro rehefa manao ireo asa fanarenana ireo izy ireo. Mikasika ny fampitomboana ho 12 isa ireo tobim-pamokarana herinaratra na “sous station” miisa 6 eto an-drenivohitra moa dia fantatra fa mety hisy fahatapahan.jiro manomboka amin'ny 08 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva mihitsy mandritra izany izany hiverina in.telo amina toerana iray. Raha atao mihitsy sy mazava ny resaka dia tsy misy ny vahaolana matotra momba ny fahatapahan’ny herinaratra, izay mifandray ihany koa amin’ny fahatapahan’ny rano. Tsy afaka manome toky ny Jirama hoe hanao izatsy na izaroa noho ny olana maro lafy (vola, solika, fitaovana…). Tokony ho samy mailo sy efa miomana izany ny rehetra fa tsy hisy fahagagana eto, ny fahavaratra ity vao manomboka.

 

Saika nanerana an’Antananarivo ny fahatapahana omaly. Tapaka dia miverina ao anatin’ny, ary tao anatin’ny in’efatra na in-dimy teo no nahitana izany tamin’ny faritra maro. Avy eo tapaka tanteraka ary misy maharitra ora maro vao miverina. Ny serasera sy fanazavana toa miovaova hatrany: mbetika fanapahana hazo, mbetika olana ara-tsolika, mbetika fahanteran’ny fitaovana,… ary tsy misy ny tena vahaolana mafonja hatreto amin’izay holazaina aza no toa tena hifantohana. Manomboka tezitra ny olona !

Pati sy Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT