Sosialy

Olana mianjady amin’ny Malagasy Efa tena mampiteny ny moana


  • Talata 20 Martsa 2018

Vaky vava ny amin’ny olana mianjady amin’ny vahoaka ankehitriny i Mamy Raharimanana, kandidan’ny antoko MAdagasikara Endrika VAovao ( MAEVA) hilatsaka hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona 2018 ity.

 

 Anisan’ny noresahiny ny tsy fisian’ny fandriampahalemana izay vao avy nanaovan’ireo vahoaka manerana ny Nosy fikomiana ny herinandro teo. Ny fidangan’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro raha tsy lazaina intsony ny fanilikilihana mahazo an’ireo olona tsy miaraka amin’ny fitondram-panjakana. Anisan’ny lasibatra ny tenany ary efa tena mampiteny ny moana ny fahasahiranana isan’andro iainan’ny Malagasy. Efa ela izy no nikasa hanatanteraka ilay tetikasany entina hampiroboroboana ny sehatry ny nomerika teto Madagasikara saingy tsy nety tafavoaka mandraka androany. Izany indrindra no antony manosika ahy hilatsaka hofidiana, hoy izy, raha nihaona sy nitafa tamin’ireo vahoakan’Antsirabe izy ny sabotsy teo. Nialohavan’ny fanompoam-pivavahana ekiomenika notontosaina  tao amin'ny FOKRIFA Antsirabe moa izany, natrehin’ireo delegasiona mafonja sy tompon’andraikitra maro samihafa.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT