OLANA GOAVANA ARA-ANGOVO

Ahiana hampitombo ny isan’ireo tsy an’asa hoy ny SEKRIMA


  • Alarobia 23 Oktobra 2024

Tsy ampy intsony ny angovo hahazoana herinaratra eto amintsika, indrindra amin’izao fidirana

mankany amin’ny maintany izao. Ahiana hampitombo isa ireo tsy an’asa eto amintsika izany raha araka ny fanazavan’Atoa Botoudie Remi, tompon’andraikitra eo anivon’ny SEKRIMA na ny Sendikan’ny Kristiana Malagasy manana ny foiben-toerany etsy Behoririka. Ho an’ireo orinasa izay tena mivelona amin’ny asa mila herinaratra mantsy dia tsy hanaiky fahatany handoa karama feno ho an’ny mpiasa rehetra izy ireny raha ny fanazavany fa mety hahenany araka izay ora hisian’ny jiro ny karama raisin’ny tsirairay. Hisy mihitsy hoy izy ireo handefa mpiasa mankany amin’ny chomage ankoatra ireo hahavita hanena ny karama raisina isam-bolana. Zavatra mety hitranga avokoa ireo hoy hatrany Atoa Botoudie Remi ka tokony hojeren’ny Fitondram-panjakana. Rehefa tsy an’asa anefa ny olona iray raha tsiahivina dia mitombo ireo fianakaviana sahirana, mirongatra ny tsy fandriampahalemana….
Pati
Legende : Ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba no efa manomboka tratry ny antsojay amin’izao eto amintsika !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT