Sosialy

Olana eny anivon’ny fokontany Mitombo isa ireo tsy mahaloa hofan-trano


  • Alakamisy 13 Jolay 2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fahasahiranana ny firenena Malagasy ankehitriny. Miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka mihitsy izany,

araka ny zavatra hita sy tsapa eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy dia mitombo isa ireo olona tsy mahaloa hofan-trano, indrindra amin’izao volana Jolay izao. Raha miisa 5 isam-bolana ohatra izany ho an’ny Fokontany iray eny amin’iny faritra Atsimondrano iny dia lasa 10 mahery amin’izao. Ilay tompon-trano no mandefa fitarainana eny anivon’ny Fokontany. Raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany iray dia noho ny fahasahiranana ateraky ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra sahady no antony mahatonga izany. Eo ihany koa ny fiakaran’ny vidim-piainana izay tena mampikolay ny rehetra. Diso voaporitra loatra mantsy ireo Ray aman-dReny fa rehefa tsy mahavita manavao ny fisoratana anaran’ny mpianatra amin’ity volana jolay ity ny Ray aman-dReny dia mety tsy voaray intsony ny zanany amin’ny volana septambra ho avy io. Ny hofan-trano noho izany no hitan’izy ireny fa azo hampandeferana hany ka mahita faisana ny tompon-trano. Ny ankamaroan’ireto farany ihany koa anefa tsy misy mandray vola fisotroan-dronono fa io no mba hany fivelomany. Raha mbola azon’ny Fokontany hatao moa ny mandamina ny fihavanan’ny roa tonta dia alaminy hatrany izany mba hampirindra ny fiaraha-monina. Misy amin’ireo mpanofa trano moa no tsy nahaloa izany hatramin’ny 3 volana.
Pati
Legende : Mila tsy ho vitan’ireo sahirana intsony ny hofantrano eto an-drenivohitra sy ny manodidina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT