Sosialy

Olana eny anivon’ny EPP Andraikitry ny FEFI, hoy ny sefo Cisco Antananarivo Renivohitra


  • Talata 29 Oktobra 2019

Nitondra fanazavana mikasika ny olana mitranga eny anivon’ireo EPP maro samihafa eto amin’ny

 

 

 

Faritra Analamanga omaly ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra  Atoa Ramananantony Lalaina. Nambarany fa efa andraikitry ny FEFI  ny mikarakara ny resaka vola aloan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra eny anivon’ny sekoly rafitra iray napetraka hikarakara izany. Io FEFI io no mamaritra ny latsakemboka aloan’ny ray aman-dreny tsirairay avy amin’ny alalan’ny fihaonam-be   raha amin’ny alalan’ny fihaonam-be irery ihany koa no manova na manafoana izany. Misy ny fitanana an-tsoratra izany hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity no sady misy taratasy manamarina ny nahatongavan’ny ray aman-dreny tsirairay avy ihany koa hanaporofoana fa nifanekena ny zavatra rehetra tapaka tao. Tsy midika izany fa tsy mandoa vola intsony ny ray aman-dreny satria izay tsy vitan’ny fanjakana ao amin’ilay sekoly toy ny fandoavana ny karaman’ireo mpampianatra tsy voaray ho mpiasam-panjakana… dia tsy maintsy zakain’ny FEFI avokoa. Tsy tokony hafangaro araka izany ny filazana fa tsy mandoa vola ny fampianaran-janaka eny amin’ny EPP sy ny adidy tsy maintsy hiantsorohan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ilay sekoly hianaran’ny zanany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT