Latsaka anaty fahasahiranana lalina ny vahoaka, raha ny fiainana sosialy. Eo, ohatra, ny fiakaran`ny vidim-piainana : saran-jiro sy rano, vidin`ny arina fandrehitra…
Manampy ireo ny tsy fandriampahalemana na an-drenivohitra na ambanivohitra: manjaka ny asan-dahalo, vaky trano, fanendahana, vaky fasana… Mampiraviravy tanana ny olon-drehetra tsy hiasa ary tsy hamokatra intsony ireny rehetra ireny, indrindra any aminn`ny faritra anjakan`ny asan-dahalo. Eo koa ny fisian`ny kolikoly amin`ny endrika maro samihafa, anisan`ny mampahantra antsika. Be dia be ny sehatra anjakan`ny kolikoly. Aiza ny fampiharana ny fandalana ny fahamarinana ? Mba tena hirosoana amin`ny tena fampivoarana, manahirana indrindra amin`izao ny olana eo amin`ny fananan-tany. Na eo amin`ny sehatra fihariana aza saika manjaka ny vahiny. Aiza ho aiza ny fifandraisan`ny vahoaka sy ny mpitondra amin`izany ? Anisan`ny fitarainan`ny olona amin`ny sehatra maro manerana ny faritra ny hoe: tsy afa-miteny ny vahoaka, tsy afa-maneho hevitra. Nandritra ny diany tany Fianarantsoa, niakatra afo ny filoha Rajoelina ary hentitra no nilazany hoe “mangina ianareo mpanakiana ary miandrasa tantana. Aleo aho hiasa ary mbola manana dimy taona” Iza moa izany ireo mpanakiana ? Iza no mpanohitra ? Tsy mbola nisy olona iray nijoro teny andalambe hoe nanakiana raha tsy hoe ny mponina eny Ambohitrimanjaka manoloana ny tetikasa Tanamasoandro. Raha nisy no nitaraina dia ny vahoaka, ny arseveka, ny Papa Ray Masina, ireo fiarahamonim-pirenena noho ireo olana hianjadian`ny vahoaka Malagasy. Ny fanoherana aza tsy avela atao ho ara-dalàna. Ny tena hetahetam-bahoaka aloha amin`izao dia ny mba hisian`ny fijerena ny lafiny sosialy: ho avy ohatra ny mety hisondrotan`ny saran-dalana… Mila fampiroboroboana sy hamoraina koa ny sehatry ny famoronana asa ho an`ny Malagasy fa tsy hiandry vahiny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.