Olana ara-tsosialy

Ory rano Antananarivo sy ny manodidina


  • Talata 19 Desambra 2023

Tapaka tsy mandeha ny Ranon'ny JIRAMA ary mijaly sy velon-taraina ireo mponina aty

Itaosy amin'izao ora izao, raha ny hita dia izay olon-tsotra manana lava-drano ihany sisa no manan-drano ary amidy amin'ny sarany 700 Ar ka hatramin'ny 1500 Ar ny iray bidon ho an'Ambohidrapeto manokana, hoy ny fanairana. Mitaraina ireo vahoaka noho ny tsy firaharahian'ny Jirama sy ny Fanjakana azy ireo. Marihana fa volam-bahoaka ny fanampiana na « subvention » omena ny Jirama, raha ny taona 2023 fotsiny no resahina dia nahatratra 500 miliara ariary no natokana, ka nisy vokany ve? Nakaiza daholo izany io vola io ? hoy ny depiote iray voafidy teny Antananarivo Atsimondrano. Manamafy ny fitakiana famahana olana ny vahoaka eny Itaosy sy ny manodidina izay tsy vao sambany no misedra olana tahaka izao. Henjana ny olana ara-tsosialy ankehitriny, saingy tsy hita izay tena vahaolan’ny mpitondra. Asa mbola sahirana mizara jiron’akoho ve satria izany izao no ahitana fampitangoronana olona? Ny eny Atsimondrano izay, fa na ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra aza dia mampivarahontsana ny maheno hoe : 1000Ar hatramin’ny 1500Ar ny iray bidon eny Ambatolampy Antehiroka noho ny fahatapahana lava. Raha manao kajikajy tsotsotra hoe : mandany 5 bidons isan’andro ny tokantrano iray, dia efa 5000Ar isan’andro, ary mahatratra 15000Ar isam-bolana. Izany ve ilay hoe : Madagasikara tsy maintsy mandroso sa sanatria dia efa tsianjery maimbo fotsiny ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT