Sosialy

Olana ara-tsosialy Efa tsy mahetsika intsony RaMalagasy…


  • Zoma 06 Septambra 2019

Be loatra ny olana ara-tsosialy tsy maintsy vahana kanefa hiandrasana fahombiazana ara-toekranena izany.

 

Ny fiatrehana ny famahana azy anefa dia mety tsy hisy vokatra ara-toekranena mivantana, toy ny filazana foana fa miakatra 5% ny harin-karena nefa tsy misy fiantraikany any amin’  ny vahoaka. Ny tsy fandriampahalemana mampitombo ny herisetra sy famonoan’olona ; ny fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika sy asan-dahalo efa lasa fiharian-karena ho an’  ny sasany; Mitombo ny fananana rava ho an’  ny tantsaha ka mampitombo mpitsoam-ponenena anatiny ary mampivangongo ny mponina an-tanàn-dehibe fotsiny nefa mivelona amin’  ny fiainana tsy zarizary. Ny olan’  ny fampianarana tsy ahitam-bahaolana mazava kanefa amporisihana ny ray amandreny hampiditra an-tsekoly ny zanany. Etsy ankilan’izay dia maro ireo manao  asa tsy mifanaraka amin’  ny diplaoma ananany. Manginy fotsiny ny resaka kolikoly amin’  ny asam-panjakana, ny vola voahodikodina, ny faharavan’  ny toe-tsaina ; ny fanaraotana samihafa ;  ny olana ara-politika miseho lany. Be loatra ny zavatra manembantsembana ny finiavana te handroso. Misy olana fototra mampitontongana ny fiananan’  ny Malagasy ary misy fahasimban’ny toe-tsaina mihamahazo vahana eto. Difotry ny adim-piainana ve Ramalagasy ka tsy mahetsika intsony, ka dia manaiky fotsiny izay hitondrana azy ?

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT