Sosialy

Olana ara-tsakafo Zaza 3 amin’ny 4 miala amin’ny fianarana any atsimo


  • Talata 01 Desambra 2020

1,5 tapitrisa amin’ireo mponina any atsimo raha ny tombana nomen’ny

 

 

fandaharan’asa ara-tsakafon’ny firenena mikambana eto amintsika na ny PAM no mila tohana ara-tsakafo faran’izay maika. Izany hoe ny atsasak’ireo mponina any an-toerana. Vokatry ny haintany tany an-toerana tao anatin’ny 3 taona misesy izay naha fongana ireo vokatra izay niampy ny krizy ara-pahasalamana nandalo noho ny COVID 19 moa no voalaza fa nahatonga izay fahoriam-bahoaka any an-toerana izay. Ao anatin’ireo distrika miisa 10 voakasik’izany I Amboasary sy ny manodidina. Manga manta sy voamadilo no zary foto-tsakafon’izy ireo. Raha ny fanadihadiana nataon’ny PAM tany an-toerana ny fiafaran’ny volana oktobra teo dia zaza miisa 3 amin’ny 4 no miala fianarana hanampy ray aman-dreny hitady sakafo any atsimo ankehitriny.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT