Sosialy

Olana ara-pitiavana Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay vazaha


  • Alarobia 26 Desambra 2018

Efa teny sahy amin’ny fanaovana heloka mihintsy ny tanora Malagasy ankehitriny, efa tsy misy fanajana ny aina intsony sy efa tsy misy fanajana ny soa tohavina ny maha-malagasy ihany koa; satria sahin’ny ity tovovavy vao 19 taona voalaza

 

 

 fa sakaiza faharoa an’ilay tera-tany frantsay Brent Mario 69 taona izay zandary teo aloha tao La Réunion ity ny namono sakaizany tamin’ny fomba feno habibiana, niaraka tamin’ny namany telo mianadahy izay 20 taona avy ireo vehivavy roa raha 26 taona ilay tovolahy izay mbola jaombilin’ilay sipan’ny vazaha ihany koa. Araka ny fanazavana nentin’ny zandary nisahana ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny raharaha vono olona izao, dia ny talata 18 desambra teo no tonga tao Toamasina ity tera-tany frantsay ity ary avy hatrany dia nivantana tany amin’ilay tovovavy voalaza fa sakaizany tena tompon-toerana. Ny andron’ny alarobia 19 desambra fotoam-pifidianana iny anefa dia nentin’ilay tera-tany frantsay ity namangy tovovavy hafa, voalaza fa mbola sakaizany ihany koa ilay sipany voalohany, ka teo no nipoitra ny tsy nampoizina satria olona misotrosotro ao an-trano noheveriny fa mandany ny volany no hitany ka nahatonga azy nandroaka ity sakaizany faharoa niala ilay trano ny andron’ny alarobia io ihany. Teo anefa no nitsiry ny hevi-dratsin’ilay sipany faharoa niaraka tamin’ireo namany ny hamono ilay tera-tany frantsay ity, ka ny fanomezana poizina no saika natao voalohany, nefa noho ity vazaha ity sady tsy nisotro tao an-trano no tsy misakafo ao ihany koa, dia ny famonoana azy mivantana no tapak’izy ireo ho atao. Ny fiverenan’izay tera-tany frantsay fotsiny izay tsy niaraka tamin’ilay sakaizany voalohany no nandrasan’ity sakaizany faharoa ka raikitra avy hatrany ny daroka maritoa vao niditra ny trano ilay vazaha. Tsy mbola nahafaty azy anefa izany ka tonga avy hatrany ilay tovolahy nanakenda azy sy ireto tovovavy roa nanampina ny lohany sy ny tarehiny tamin’ny ondana, ka maty tsy tra-drano ingahy Brent Mario Auguste. Taorian’izany dia nofonosan’izy ireo lambam-pandriana ilay vazaha sy nampidirin’izy ireo tao anaty larimoara ary nentin’izy ireo tamin’ny fiara 4x4 an’ilay tovolahy jaombilon’ilay tovovavy faharoa, avy eo nalevin’izy ireo tao Ampanalana ny alin’io alarobia 19 desambra. Raha tsy nody ilay tera-tany frantsay ny alina dia vao maraina dia nametraka fitoriana ny tsy fahitana azy ilay sakaizany voalohany nivantanany teny anivon’ny zandary misahana ny heloka be vava ny alakamisy 20 desambra ary raikitra avy hatrany fikarohana azy sy ny fisamborana aloha ilay zakaizan’ilay vazaha faharoa izay fantatra fa niady taminy noho ilay resaka fisarahana. Ny sabotsy 22 desambra anefa raha nahazo vaovao ny fisiana zavatra nalevina hafahafa tao Ampanalana ireo mponina manodidina dia nampandre ny zandary. Raha natao ny fihadiana ireto zavatra nalevina ireto dia gaga ny rehetra fa ilay larimoara nisy ilay tera-tany frantsay efa simba no hita tao . Vao hita ny fatin’ilay vazaha dia nibaradaka avy hatrany ireo olona namono azy izay notarihan’ilay sipany faharoa sy ireo namany telo mianadahy izay nokaramaina telo tapitrisa ariary ilay tovolahy raha roa tapitrisa ariary avy kosa ireo tovovavy roa. Efa ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy nanomboka ny alatsinainy teo izy efatra mianadahy ireo taorian’ny fiakaran’ny raharaha teo anivon’ny fitsarana Toamasina.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT